Fiteny grika
Ελληνικ?
(ellinika)
|
Isan'ny mpiteny
|
15 tapitrisa
|
Faritany
|
Grisy
,
Cyprus
,
Aostralia
|
Sata
|
; Teny ofisialy
|
Ny
fiteny grika
dia
fiteny indo-eoropeanina
. Izy no fiteny ofisialy ao
Grisy
sy ao
Kipra
. Tao Grisy sy tao amin’ ny morontsirak' i
Azia Minora
, ary tao amin’ ny faritra atsimo amin’ i
Italia
no toerana nitenenana io fiteny io voalohany. Nisy ihany koa fotoana nampiasana ny fiteny grika koa tao
Azia Andrefana
sy tao
Afrika Avaratra
. Ny anaran’ ny fiteny grika amin’ ny teny grika dia
Ελληνικ?
/
Ellinika
.
Mampiasa ny
abidy grika
ny Grika rehefa manoratra ny teniny. Avy amin’ ny abidy grika ny
abidy latina
izay anoratana ny
teny malagasy
sy ny
teny frantsay
ary ny ankamaroan’ ny teny eoropeanina tandrefana.
Abidy
hafa maro ihany koa no avy amin’ ny abidy grika toy ny
abidy sirilika
. Avy amin’ ny
abidy fenisianina
kosa io abidy grika.
Manana tantara an-tsoratra tsy tapaka nandritry ny telo arivo taona ny fiteny grika. Izany dia maharitra kokoa noho ny fiteny indo-eoropeana hafa tenenina ankehitriny. Mizara telo toko izany tantara izany: ny
fiteny grika taloha
sy ny
fiteny grika tamin' ny Andro Antenatenany
ary ny
fiteny grika ankehitriny
. Ny fiteny grikan' ny fotoana teo anelanelan’ ny taona 330 sy 1453 dia antsoina hoe fiteny grika tamin’ ny Andro Antenatenany izay nanjakan’ ny
Empira Bizantina
.
Ankehitriny dia eo amin’ ny 15 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny grika. Ao Grisy sy
Kipra
(na
Kiprosy
) no misy ny ankamaroan’ izy ireo. Misy ihany koa ny olona miteny grika any amin’ ny firenena maro. Ny anton’ izany dia ny fifindra-monin’ ny mpiteny grika. Maro dia maro ny Grika lasa nifindra monina tany
Aostralia
.