Fiteny filipino

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny filipino dia iray amin' ny fiteny ofisialy roa ao Filipina , ny faharoa dia ny fiteny anglisy . Mifototra amin' ny fiteny tagaloga , izay fiteny ao amin' ny vondrona malaio-polineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostroneziana , ny fiteny filipino. Olona 17 tapitrisa no manao azy io ho tenin-dreny ary olona 50 tapitrisa no mampiasa azy ho fiteny faharoa.

Tamin' ny 13 Novambra 1937 no nanapahan' ny Antenimieram-pirenen ' i Filipina ny hanangana Ivontoeran' ny Fitenim-Pirenena mba hamolavolana fiteny ofisialy . Voafidy avy amin' ny fitenim-paritra maro ao Filipina ny fiteny tagaloga mba hatao fototra iaingana. Ity fiteny ity no lasa fiteny filipino tamin' ny taona 1961 talohan' ny nahatongavany ho fiteny ofisialy tamin' ny taona 1973.

Tena akaiky ny fiteny tagaloga any amin' ny faritr' i Manila ao amin' ny nosy Luzon ny fiteny filipino. Voaforon' ny teny maro nindramina avy amin' ny fiteny espaniola sy amin' ny fiteny hafa ao amin' ilay vondronosy anefa ny voambolana ao aminy.

Tany am-boalohany dia nisy litera 31 ny abidy filipino, anisan' izany ny litera 26 amin' ny abidy latina sy ny litera n , ll , rr , ch nindramina tamin' ny fiteny espaniola ary ny litera ng tagaloga. Amin' ny fampiharana dia misy litera roa mifampibaby efa ao amin' ny litera fototra 26 ireo litera ireo. Tamin' ny taona 1987 dia nohavaozina ny abidy ka lasa nisy litera 28: ny litera fanampiny n sy ng ihany no voatazona.

Ny ankamaroan' ny vahoaka filipina monina any an-tanan-dehibe dia miteny filipino sy anglisy ankoatra ny fiteniny eo an-toerana. Tsy dia marina loatra izany any amin' ny faritra mitoka-monina kokoa ao amin' ilay firenena. Saika nanjavona ny fiteny espaniola ary tsy velona afa-tsy amin' ny alalan' ny indran-teny maro.