Fiteny fenika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny fenika na fiteny finika na fiteny balto-finoa na fiteny balto-finika dia fianakaviam-piteny ao Eoropa Avaratra . Mirafitra ao amin' ny fiteny fino-ogriana (izay ahitana koa ireo fiteny sama na fiteny lapona any Laponia sy ny fiteny hongariana ary ny fiteny madinika maro ao Rosia ) izy. Ny teny hoe fenika na finika dia mampahatsiahy an' i Estonia sy i Finlandy ary i Carelia . Manodidina ny Ranomasina Baltika no onenan' ny ankamaroan' ny mpiteny fenika izay miisa 7 tapitrisa any ho any.

Firenana roa eto amin' izao tontolo izao no manao fiteny fenika iray ho fiteny ofisialy : i Finlandy ( fiteny finoa ) sy i Estonia ( fiteny estoniana ).

Ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny fenika [ hanova | hanova ny fango ]

Ny fianakaviam-piteny fenika dia ahitana: ny fiteny finoa , ny fiteny kareliana , ny fiteny vepsa , ny fiteny vota , ny fiteny ingriana , ny fiteny estoniana , ary ny fiteny livoniana .

Ny fiteny finoa [ hanova | hanova ny fango ]

Tenenina ao Finlandy , ao Estonia , ao Soeda , ao Norvezy ary ao avaratra?andrefana amin' i Rosia ny fiteny finoa . Io fiteny io dia mizara ho karazany maromaro: ny fiteny soomy izay tenenina ao Finlandy, sy ny fitenim-pariny toy ny fiteny savo; ny fiteny kvena, izay tenenina ao Norvezy; ny fiteny meankiely na finoa tornedaliana izay tenenina ao Soeda.

Ny fiteny kareliana [ hanova | hanova ny fango ]

Fitenin' ny vahoaka Kareliana ao Carelia , faritra midadasika misabaka eo amin' i Finlandy sy i Rosia , ny fiteny kareliana . Ireto ny sampany: ny fiteny karjala (tenenina ao Rosia sy ao Finlandy) sy ny fiteny olonetsiana ary ny fiteny loda.

Ny fiteny vespa [ hanova | hanova ny fango ]

Fitenin' ny vahoaka Vespa ao amin' ny Repoblikan' i Carelia ny fiteny vepsa na fiteny vespiana. Ny Vespa dia monina any amin' ny morontsiraka andrefan' ny Farihy Onega (any Carelia rosiana) sy any amin' ny ilany atsinanan' ny Oblastan' i Leningrad ary any amin' ny tapany andrefan' ny Oblastan' i Vologda.

Ny fiteny vota [ hanova | hanova ny fango ]

Fitenin' ny vahoaka Vota ny fiteny vota , izay tsy mbola voasoratra. Tandindomin-doza ity fiteny ity indrindra noho ny fanjavonan' ny vahoaka mpiteny azy. Tanana telo any atsinanan' ny vinanin' ny ony Luga, any andrefan' i Saint-Petersbourg, any Rosia , no misy ireo mpiteny azy ireo.

Ny fiteny ingriana [ hanova | hanova ny fango ]

Tenenina ao amin' ny Oblastan' i Leningrad, ao amin' ny Raionan' i Kingissepp sy ny Raionan' i Lomonosov, ny fiteny ingriana na fiteny izora na fiteny izoriana. Mihena isa hatrany ny vahoaka Ingriana ka noho izany dia tandindomin-doza ilay fiteny. Mizara ho fitenim-paritra roa ny fiteny ingriana, dia ny fitenim-paritr' i Soikkola, izay tenenina ao amin' ny saikinosy Soikino, any amin' ny Raionan' i Kingissepp, sy ny fitenim-paritr' i Hevaha, ao amin' ny Raionan' i Lomonossov.

Ny fiteny estoniana [ hanova | hanova ny fango ]

Fiteny ofisialin' i Estonia ny fiteny estoniana , izay mizara ho vondrom-pitenim-paritra roa, dia ny fiteny estoniana avaratra (fiteny eesty) (izay tenenina ao Estonia, ao Finlandy, ao Letonia ary ao avaratra-andrefana amin' i Rosia; sy ny fiteny estoniana atsimo, izay mizara ho fiteny voro (ao Estonia), fiteny lotsy (ao Letonia), fiteny molgy (ao Estonia), fiteny seto (ao Estonia sy ao Rosia), ary fiteny tarto (ao Estonia).

Ny fiteny livoniana [ hanova | hanova ny fango ]

Ny fiteny livoniana na fiteny liva dia fiteny be mpampiasa tany Livonia nefa lasa fiteny maty ankehitriny. Maty tany Kanada tamin' ny taona 2013 ny Livoniana farany niteny livoniana. Livoniana vitsivitsy no mianatra na nianatra ilay fiteny mba hamelomana azy indray na dia tsy matetika aza ny fampiasana azy.