Ny
fiteny ao Torkia
dia miisa 37 samihafa, anisan' izany ny iray izay efa tsy misy mpampiasa intsony (ny fiteny obika), misy fitenim-paritra maro koa saika isaky ny faritany ao
Torkia
. Fiteny avy amin' ny
fianakaviam-piteny altaika
sy
indo-eoropeana
ary
afro-aziatika
no be mpampiasa ao. Araka ny Fifanarahana an' i Lausanne, ny fitenin' ny vitsy anisa ekena ofisialy dia ny
fiteny armeniana
sy ny
fiteny grika
ary ny
fiteny hebreo
.
[1]
Ny
fiteny altaika
be mpiteny indrindra ao
Torkia
dia ny
fiteny tiorka
sy ny
fiteny azery
.
Ny
fiteny tiorka
no
fiteny ofisialy
any Torkia. Iantohan' ny andininy faha-3 amin' ny Lalam-panorenan' i Torkia tamin' ny taona 1982 ny satany manokana. Ampiasaina manerana ny tanim-pirenena tiorka izy io, ary olona efa ho 72 tapitrisa (tamin' ny taona 2006), izany hoe saika ny mponina rehetra, no mampiasa azy. Atao hoe "fiteny anatoliana" koa ity fiteny ity. Ao amin' ny
fianakaviam-piteny altaika
io fiteny io izay soratana amin' ny
abidy latina
.
Ny
fiteny azery
, izay
fiteny torkika
ampiasaina any
Azerbaijana
sady ao amin' ny
fianakaviam-piteny altaika
, dia ampiasaina indrindra ao amin' ny faritanin' i Kars sy ny faritanin' i I?dır, ao amin' ny Faritr' i Anatolia Atsinanana, noho izany akaikin' i Azerbaijana. Tamin' ny taona 2014 dia nisy mpiteny azery maherin' ny 500 000 tany Torkia. Atao hoe "fiteny azerbaijany" na "fiteny azerbaijaney" koa ity fiteny ity. Soratana amin' ny
abidy latina
izy.
Ny
fiteny indo-eoropeana
be mpiteny indrindra ao Torkia dia ny
fiteny kiorda
sy ny
fiteny grika
sy ny
fiteny armeniana
ary ny
fiteny zazaky
.
Ny
fiteny kiorda
no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ao Torkia, izay misy mpiteny maherin' ny 8 tapitrisa (tamin' ny taona 2014), ary manerana ny tanim-pirenena tiorka, na dia ny atsinanana aza no makitroka kokokoa, satria ao amin' io faritra io no tena onenan' ny
Kiorda
. Atao hoe "fiteny kormanjy" koa ity fiteny ity. Tafiditra ao anatin' ny vondron' ny
fiteny indo-eoropeana
ny fiteny kiorda sady soratana amin' ny abidy latina.
Ny
fiteny grika
dia nisy mpiteny maherin' ny 3 500 izy io tamin' ny taona 2014 any Torkia, indrindra any amin' ny faritan' i Istanbul sy ao amin' ny nosy Imbros (Gokceada) any Canakkale sy any amin' ny faritan' i Izmir, akaikin' i
Gresy
. Soratana amin' ny
abidy grika
ity fiteny ity.
Ny
fiteny armeniana
dia nisy mpitey mihoatra ny 40 000 tamin' taona 2014 ao Torkia, indrindra ao amin' ny faritanin' i Istanbul, nefa hita koa ao amin' ny faritra kely kokoa any amin' ireo faritany akaiky kokoa an' i
Armenia
toa ny faritanin' i Kars io fiteny io. ary Soratana amin' ny
abidy armeniana
ity fiteny ity.
Ny karazan' ny fiteny armeniana ampiasaina any Torkia dia ny fiteny armeniana andrefana, izay tsy ampiasain' ny mponina ankoatra ny ampahany kely amin' ny
Armeniana
any Torkia, ka ny 18 % amin' ny mponina amin' ny ankapobeny ary ny 8 % amin' ny tanora izany. Nofaritan' ny UNESCO ho iray amin' ny fiteny tandindomin-doza ampiasaina any Torkia ny fiteny armeniana andrefana.
Ny
fiteny zazaky
dia ampiasain' ny vahoaka
Zaza (vahoaka)
ao Torkia, indrindra any amin' ireto faritany ireto: Tunceli sy Elazı? ary Diyarbakır. Maherin' ny 1,5 tapitrisa ny mpiteny zazaky tamin' ny taona 1998 tao Torkia. Atao hoe "fiteny dimly" koa ity fiteny ity. Soratana amin' ny
abidy latina
izy.
Ny
fiteny hamito-semitika
na
afro-aziatika
be mpiteny indrindra ao Torkia dia ny
fiteny arabo
.
Ny
fiteny arabo
dia manana mpiteny maherin' ny 720 000 tamin' ny taona 2014 tany Torkia, indrindra ao akaikin' ny sisintany misy ny firenena ao
Afovoany Atsinanana
, ary any amin' ny faritany toa an' i Mardin, Siirt, Batman ary ?anlıurfa. Soratana amin' ny
abidy arabo
ity fiteny ity.
Noho ny ady an-trano ao
Siria
nanomboka amin' ny taona 2011 sy noho ny firohotan' ny olona mandositra izany ady an-trano izany, dia mitombo be ny isan' ny mponina miteny arabo ao Torkia. Ny vinavina tamin' ny taona 2016 dia mametraka ny isan' ny Arabo mpitsoa-ponenana ao Torkia ho 2,6 tapitrisa ary ny fitambaran' ny isan' ny mpiteny arabo dia tombanana eo anelanelan' ny 3,6 sy 5 tapitrisa.
- ↑
Bayır, Derya (2016).
Minorities and nationalism in Turkish law
. London: Routledge. “Oran farther points out that the rights set out for the four categories are stated to be the ‘fundamental law’ of the land, so that no legislation or official action shall conflict or interfere with these stipulations or prevail over them (article 37). [...] According to the Turkish state, only Greek, Armenian and Jewish non-Muslims were granted minority protection by the Lausanne Treaty. [...] Except for non-Muslim populations - that is, Greeks, Jews and Armenians - none of the other minority groups’ language rights have been
de jure
protected by the legal system in Turkey.”