Sainan' i Alzeria
Ny
fiteny ao Alzeria
dia maro dia maro, nefa
miteny arabo
ny ankamaroan' ny mponina ao. Hatramin' ny fanavaozana ny
lalam-panorenana
tamin' ny taona 2016, io firenena io dia manana
fiteny ofisialy
roa, dia ny
fiteny arabo
(efa izay rahateo araka ny voalaza ao amin' ny lalam-panorenan' io firenena io hatramin' ny taona 1963) sy ny
fiteny amaziga
(
tamazi?t
, izay
fiteny berbera
nekena ho "
fitenim-pirenena
" tamin' ny alalan' ny fanitsiana ny lalam-panorenana nanomboka tamin' ny 8 May 2002); teo aloha dia ny fiteny arabo ihany no nanana io sata io. Ny fitenim-paritra arabo antsoina hoe
darja
eo an-toerana, no fiteny lehibe ampiasain' ny mponina. Miely patrana koa ny fioteny tamazigta sy ny fiteny frantsay. Ny fiteny arabo alzeriana sy ny fiteny berbera dia fiteny teratany ho an' ny amin' ny 99 % amin' ny Alzeriana, ka ny fiteny arabo alzeriana dia tenenin' ny 90 % eo ho eo ary ny fiteny berbera ampiasain' ny 10 %.
Ny
fiteny frantsay
, na dia tsy manana sata ofisialy aza, dia mbola ampiasaina amin' ny haino aman-jery (gazety sasany) sy amin' ny fanabeazana, noho ny tantaram-panjanahana an' i Alzeria. I Malika Rebai Maamri, mpanoratra ny "The Syndrome of the French Language in Alzeria," dia nilaza fa ny fiteny ampiasaina any an-trano sy eny an-dalambe dia mijanona ho fifangaroan-teny avy amin' ny fitenim-paritra alzeriana sy ny fiteny frantsay.
Ny
fiteny kabila
, izay fiteny berbera be mpampiasa indrindra ao amin' ilay firenena, dia ampianarina sady fiteny ofisialy koa (miaraka amin' ny fameperana vitsivitsy) any amin' ny faritra sasany ao Kabylia.
Ireto avy ny karazan' ny
fiteny arabo
ampiasaina ao
Alzeria
:
Faritra ahitna mpiteny berbera ao Alzeria
Ireto avy ny karazan' ny
fiteny berbera
ampiasaina ao
Alzeria
:
- Fiteny kabila
- Fiteny saoia
- Fiteny berbera saheliana
- Fiteny oargly
- Fiteny mozabita
- Fiteny toarega aljeriana
- Fiteny selha
- Fiteny senoy
- Fiteny zeneta isan-karazany
Ireto avy ny fiteny hafa ampiasaina ao
Alzeria
: