Fiteny odia

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny odia na fiteny oria dia fiteny indo-ariana ampiasaina ao amin' ny fanjakana indian' i Odisha . Io no fiteny ofisialy ao Odisha (nadika taloha hoe Orissa), izay ampiasain' ny 82 % amin' ny mponina ao, ary ampiasaina any Bengal Andrefana sy Jharkhand ary Chhattisgarh. Iray amin' ireo fiteny ofisialy maro ao India ny fiteny odia; io no fiteny ofisialin' i Odisha ary fiteny ofisialy faharoa any Jharkhand. Io fiteny io koa dia ampiasain' ny mponina be dia be miisa iray tapitrisa farafahakeliny ao Chhattisgarh.

Ny fteny odia no fiteny indiana fahenina voatondro ho fiteny klasika, noho ny fananany tantara lava be momba ny haisoratra ary tsy nindran-teny maro tamin' ny fiteny hafa. Efa tamin’ ny taonjato faha-10 no nisy soratra fantatra voalohany indrindra tamin' ny fiteny odia.

Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2011 dia ny fiteny odia no fitenin-drazan' ny Indiana miisa 37 521 324, ao anatin' izany ny 34 712 170 ao Odisha (izany hoe 92,5 % amin' ny mpiteny ary 82.7 % amin' ny mponina ao amin' io fanjakana io).

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]