한국   대만   중국   일본 
Fiangonan' ny konsily roa ? Wikipedia Aller au contenu

Fiangonan' ny konsily roa

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonan' ny konsily roa dia ireo fiangonana kristiana manaraka ny Konsily voalohany tao Nikea (taona 325) sy ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (taona 381) sady mitsipaka ireo konsily ekiomenika rehetra natao taorian' ireo. Nisaraka tamin' ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana izy ireo taorian' ny konsily fahatelo ( Konsily tao Efeso , taona 431).

Atao amin' ny anarana fanaratsiana hoe Fiangonana nestoriana koa ireo fiangonana ireo. Anisan' ny sampan' ny fiangonana kristiana tatsinanana izy ireo. Misy mpino vita batemy miisa 250 000 any ho any ireo fiangonana ireo.

Ireto avy izy ireo:

  1. ny Fiangonana ortodoksa asiriana (na Fiangonana apostolika asirianan' ny Atsinanana, anisan' izany ny Fiangonana siriana kaldeana na Fiangonana malabara ortodoksa;
  2. ny Fiangonana Tranain' ny Atsinanana.

Tsy mba mandeha manao asa misiona ny Fiangonan' ny konsily roa sady iharan' ny fanenjehana ny mpino ao aminy ao amin' ireo firenena misy azy ka mahatonga ity sampan' ny fiangonana kristiana ity ho eo an-dalam-panjavonana.

Ny konsily telo [ hanova | hanova ny fango ]

Ny konsily roa voalohany [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Konsily voalohany tao Nikea [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Konsily voalohany tao Nikea (na Nisea) dia natao tamin' ny taona 325 ka ny emperora Konstantino no nampiantso azy. Io no konsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ka hanoherana ny fampianaran' i Ariosy (ny arianisma ) izay noheverina ho fampianaran-diso tamin' izay. Tapaka fa "mitovy fomba" ( homoousia ) amin' ny Ray ny Zanaka amin' ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny Fanekem-pinoana nikeana . Araka ny lovantsofina dia i Nikolasy avy any Mira (izay fantatra amin' ny hoe Masindahy Nikola) sy i Spiridona avy any Trimitonta dia nandray anjara betsaka tamin' io konsily io.

Ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly [ hanova | hanova ny fango ]

Nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin' ny Kosilin' i Nikea ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (na Konstantinopla) izay nanalavana ny Fanekem-pinoana nikenana ka lasa Fanekem-pinoan'i Nikea sy Konstantinopoly . Io no konsily ekiomenika faharoa. Tapaka fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina . Nohamafisina ny maha Andriamanitra an' i Kristy sady nambara fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina ary noraiketina ilay fanekem-pinoana natao tamin' ny konsily voalohany tao Nikea.

Ny konsily fahatelo [ hanova | hanova ny fango ]

Ny Konsily tao Efesosy [ hanova | hanova ny fango ]

Ny konsily fahatelo, dia ny Konsily tao Efesosy , dia nanapahana ny maha Renin' Andriamanitra an' i Maria renin' i Jesoa . Nivoaka noho izany ny Fiekem-pinoan' i Efezy . Nitsipahana ny nestorianisma koa izany konsily izany.

Nanambara ny maha tokana tsy mizara an' i Kristy hatrany am-bohoka ity konsily ity. Nohelohiny ny fampianaran' i Nestoriosy , patriarkan' i Konstantinopoly, izay nampianatra (mba tsy hampifangaroana ny olona atao hoe Jesoa sy ny Logos izay an' Andriamanitra) fa i Maria Virjiny dia tsy niteraka afa-tsy olombelona izay manana fifamatorana tsy azo foanana amin' ny Logos . I Nestoriosy mantsy dia nampianatra fa miara-misy ireo natiora n' i Kristy roa ireo nefa misaraka. Nitsipaka io fanapahan-kevitry ny konsily io ireo Fiangonana nestoriana sady nisaraka tamin' ny Fiangonan' ny Empira.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]