Ny katedraly
Københavns Domkirke
ao
Copengagen
Ny
Fiangonan' i Danemarka
na
Fiangonana Evanjelika Loteranan' i Danemarka
dia fiangonana
loterana
,
ohanan' ny fanjakana
any
Danemarka
. Ny fahefana fara tampony ivelan' ny fivavahana mifehy an' ilay fiangonana dia ahitana ny mpanjaka sy ny Antenimieran' i Danemarka (atao hoe
Folketinget
). Tamin' ny 1 Janoary 2023 dia 72,1 % amin' ny mponina any Danemarka no mpikambana ao, na dia an-tsitrapo aza ny maha-mpikambana. Amin' ny
teny danoa
izy dia atao hoe
Folkekirken
, ("Fiangonam-bahoaka") na, nefa tsy amin ny fomba oofisialy,
den danske folkekirke
, ("Fiangonan' ny vahoaka danoa"), fa amin' ny
fiteny grinlandika
dia
Ilagiit
("ny Fiangonana").
Ny kristianisma
kalkedoniana
dia nampidirin' i Ansgar,
arseveka
n' i Hamburg-Bremen tany Danemarka tamin' ny taonjato faha-9. Tamin' ny taonjato faha-10 dia nanjary katolika ny mpanjaka Harald Blatand Gormsen (na Haraldr Blat?nn Gormsson, amin' ny
teny norveziana
) ary nanomboka nandamina ny fiangonana, ary tamin' ny taonjato faha-11 dia noraisin' ny olona amin' ny ankapobeny ny
kristianisma
manerana ilay firenena. Hatramin' ny Reformasiona tany Danemarka, ity Fiangonana ity dia lasa loterana evanjelika, ary nitazona ny ankamaroan' ny fanao litorjikan' ny Fiangonana Ambony talohan' ilay Reformasiona.
Ny Lalam-panorenan' i Danemarka tamin' ny taona 1849 dia nanendry ny fiangonana ho "fiangonan' ny Vahoaka Danoa" ary nandidy ny fanjakana mba hanohana azy io araka izany.
Eveka ao amin' ny Fiangonan' i Danemarka
Ny Fiangonan' i Danemarka dia manohy mitazona ny Episkopata ara-tantara (izany hoe ny fampitana ny fahefana avy amin' ny
eveka
iray mankany amin' ny iray hafa.). Ny fahefana ara-teolojia dia omena ny eveka: eveka folo any
Danemarka
ary iray any
Groenlandy
, izay samy manara-maso
diosezy
iray avy. Ny evekan' i
Copenhagen
dia
primus inter pares
(lehiben' izy rehetra).
Ny rafi-pitantanam-piangonana ao amin' ny Fiangonan' i Danemarka dia episkopaliana. Nisy mpikambana niisa 4 276 271 ilay fiangonana tamin' ny Janoary 2012, izany hoe 72,1 % amin' ny mponina ao Danemarka. Tsy misy ny
arsidiosezy
. Mizara ho
diosezy
miisa 11 ilay fiangonana ary misy
paroasy
miisa 2 163 tamin' ny taona 2019.