한국   대만   중국   일본 
Fianakaviam-piteny sino-tibetana ? Wikipedia Aller au contenu

Fianakaviam-piteny sino-tibetana

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny fitsinjaran' ireo fiteny sino-tibetana. Mena: sampam-piteny sinoa ; mavo: sampam-piteny tibetika ; maitso: sampam-piteny lolo-birmana

Ny fiteny sino-tibetana dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo . Isan' io fianakaviam-piteny io ireo fiteny sinoa izay ahitana fiteny folo tetenin' ny olona miisa 1 350 000 000 any ho any, sy ireo fiteny tibeto-birmana izay ahitana fiteny miisa 330 any ho any ary tenenin' ny olona miisa 70 000 000 any hoany.

Ilay mpikaroka atao hoe Laurent Sagart dia nanolo-kevitra ny hampidirana ny fianakaviam-piteny sino-tibetana sy ny fianakaviam-piteny aostroneziana ao amin' ny fianakaviambem-piteny atao hoe sinotibetana-aostroneziana. Ireo fiteny aostroneziana izay miely hatraty Madagasikara ka hatrany amin' ireo nosin' i Pasifika dia samy nipoitra avy any Taioana , sady manana voanteny mifanahaka endrika sy hevitra amin' ireo fiteny formozana .

Misy sampana efatra lehibe ny fianakaviam-piteny sino-tibetana, dia: ny sampam-piteny sinoa na sinitika , ny sampam-piteny tibetika , ny sampam-piteny lolo-birmana ary ny sampam-piteny karena. Misy koa fiteny maro hafa izay tsy isan' ireo sampam-piteny ireo.

Ireo sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny sino-tibetana [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sampam-piteny sinoa na sinitika [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sampam-piteny sinoa na sinitika dia ahitana ny fiteny mandarina , ny fiteny oio, ny fiteny kantoney , ny fiteny minio, ny fiteny siangio, ny fiteny haka, ary ny fiteny ganio. Misa any amin' ny 1 300 tapitrisa ny mpiteny sinoa.

Ny sampam-piteny tibetika [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sampam-piteny tibetika dia ahitana ny fiteny tibetana afovoany, ny fiteny tibetana amdo, ny fiteny tibetana kama, ireo fiteny jongka-koka, ireo fiteny ladaki-balty, ireo fiteny laholi-spity, ny fiteny kirong-kagata, ny fiteny serpa-jirela, ary fiteny maro hafa koa. Miisa 6 tapitrisa any ny mpiteny tibetika.

Ny sampam-piteny lolo-birmana na lolo-birmana [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sampam-piteny lolo-birmana na lolo-bormezy dia ahitana ireo fiteny mondzisy, ireo fiteny bormisy, ireo fiteny loloisy ary ireo fiteny mroiky. Miisa 33 tapitrisa any ho any ny mpiteny bormezy.

Ny sampam-piteny karenika [ hanova | hanova ny fango ]

Ny sampam-piteny karenika dia ahitana ny fiteny pao, ny fiteny poo, ireo fiteny sgao?bgay.

Misy koa fiteny maro hafa izay tsy voasokajy ao amin' ireo sampam-piteny ireo, dia ny fiteny bodo-garo, ireo fiteny koki-tsina, ireo fiteny meitey, ireo fiteny tamangika, ireo fiteny bay, ireo fiteny jingfo-loisy.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Fianakaviam-piteny lehibe [ hanova | hanova ny fango ]

Vondrom-pianakaviam-piteny [ hanova | hanova ny fango ]