한국   대만   중국   일본 
Fedra ? Wikipedia Aller au contenu

Fedra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fedra dia tantara na hevitra foronin' ny saina ho enti-manazava ny zava-mitranga eto amin' izao tontolo izao na eo amin' ny fiarahamonina ary indrindra natao hanorenana ny fanao eo amin' ny fiarahamonina araka ny anjara toeran' ny soatoavina fototra ao amin' ny fiarahamonina mitady ny fiombonana [1] . Amin' ny alalan' ny lovantsofina am-bava no mampita azy amin' ny voalohany, izay manolotra fanazavana ny endrika fototra ao amin' ny tontolo sy ny fiarahamonina nanefy na nampita io fedra io. Rehefa hadino ka tsy misy mpanaraka intsony ny fivavahana iray dia manjary fedra: izany no mitranga amin' ny fivavahana seltika taloha sy ny fivavahan' ny Egiptiana , ny an' ny Grika ary ny an' ny Romana tamin' ny Andro Taloha .

Ny mpanoratra malagasy sasany dia mampiasa ny teny hoe angano . Amin' ny ankapobeny dia fitantarana ahitana tandindona manazava ny niavian' izao tontolo izao sy ireo andriamanitra , ny famoronana ny biby sy ny olombelona ; ny fiavian' ny lovantsofina sy ny fombafomba ary ny endrika sasany amin' ny asa ataon' ny olombelona [2] . Fitantarana anorenana ny fomba amam-panao eo amin' ny fiarahamonina ny fedra, ary ny firenena na ny vahoaka rehetra dia samy manana fedra.

Hoy Razafintsalama raha miresaka ny amin' ny fedra: " ny fedra dia tsy mikendry ny hitantara zava-nitranga tamin' ny toerana na vanim-potoana azo faritana , fa maneho an'ohatra fa nisy hatrizay, mbola misy ary hisy hatrany ny fototra tsy azo hozongozonina iorenan' ny maha-olona ny olona, ny maha-lehilahy ny lehilahy ary ny maha-vehivavy ny vehivavy ; toraka izany ny fototra iorenan' ny rafi-piaraha-monina sy ny fomba vaventy iakinan' ny fifandraisana mirindra eo amin' ny mpiara-belona . Izany hoe, karazana teolojia ntaolo ny fedra " [3] .

Ny teny hoe fedra sy ny mitovy hevitra aminy [ hanova | hanova ny fango ]

Matetika dia mifandray amin'ny fivavahana ny fedra ka mahatonga ny mpanoratra amin' ny teny malagasy sasany, indrindra ny teolojiana , hampiasa ny andian-teny hoe angano masina na anganom-pinoana na anganom-pivavahana, na dia tsy voatery ho momba ny fivavahana na ny finoana ny fedra fa mety hikasika ny fiarahamonina na ny fitondram-panjakana na zavatra hafa izay tsy ahitana resaka fahamasinana.

Araka an' i Jacques Faublee, izay nanangona tantara tany amin' ny faritry ny Malagasy bara dia "tantaram-piandohana" no hevitry ny teny hoe fedra (4) [4] .

Jereo koa: [ hanova | hanova ny fango ]

Loharano sy fanamarihana [ hanova | hanova ny fango ]

  1. Alain Cabantous, Mythologies urbaines: Les villes entre histoire et imaginaire , Presses universitaires de Rennes, 2015, p. 11.
  2. "Mythologie", Microsoft Encata 2009
  3. Razafintsalama, P. A., Taridalana ho enti-manadihady ny finoana sy ny fomba malagasy , Edisiona Md Paoly, Antananarivo, 1998, p.20.
  4. Faublee, Jacques, Recits bara , Institut d'Ethnologie, Musee de l'Homme, 1947, p. 14.