한국   대만   중국   일본 
Famorana ? Wikipedia Aller au contenu

Famorana

Avy amin'i Wikipedia
Famorana any Azia Afovoany (1865?1872)

Ny famorana dia fanesorana ny loha tsitsy (ilay hoditra mamono ny lohan' ny fitaovam-pananahan' ny lehilahy), izay misy heviny ara-pivavahana, indrindra ao amin' ny jodaisma sy ny silamo . Ny famorana dia fombafomba ara-pivavahana be mpanao nandrita ny Andro Taloha . Fomba mampanana sata vaovao ny famorana eo amin' ny jodaisma. Amin' ny Miozolmana dia fanehoana ny fanadiovana ara-panahy ny famorana. Tany Ejipta taloha , tany amin' ny taona 2300 tal. J.K. dia efa nisy ny famorana izay heverin' ny mpikaroka fa natao famantarana ny andevo.

Tahan' ny fanaovana famorana:       >80%       20-80%       <20%       N/A

Teny malagasy [ hanova | hanova ny fango ]

Ireto ny teny ilazana koa ny famorana amin' ny teny malagasy : didifoitra , hasoavana , sambatra , sikina [1] .

Loharano sy fanamarihana [ hanova | hanova ny fango ]

  1. " Famorana ", ao amin' ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara .