한국   대만   중국   일본 
Fahirano an' i Leningrada ? Wikipedia Aller au contenu

Fahirano an' i Leningrada

Avy amin'i Wikipedia
Fahirano an' i Leningrade

Ny fahirano an' i Leningrada ( rosiana : Блокада Ленинграда, romaniana : Blokada Leningrada ; alema : Leningrader Blockade ; finoa : Leningradin piiritys ) dia sakana ara-miaramila naharitra ela nataon' ny tafiky ny Axis tamin' ny tananan' i Leningrade ( Saint-Petersbourg ankehitriny) sovietika. Anoloana Atsinanana tamin' ny Ady Lehibe Faharoa . Nandroso avy any atsimo ny Vondron' ny Tafika Alemana Avaratra , raha nanafika avy any avaratra kosa ny tafika finoa mpiara-dia tamin' i Alemaina ary nahavita nanodidina ny tanana. Nanomboka tamin' ny 8 Septambra 1941 ny fahirano, rehefa nanapaka ny lalana farany nankany an-tanana ny Wehrmacht. Na dia nahavita nanokatra lalantsara tery mankao an-tanana aza ny tafika sovietika tamin' ny 18 Janoary 1943 dia tsy nahafaka ny fahirano ny Tafika Mena raha tsy tamin' ny 27 Janoary 1944.