Ezra

Avy amin'i Wikipedia
Mamaky ny Lalana eo anatrehan' ny vahoaka i Ezra, nataon' i Gustave Dore, taona 1866.

I Ezra na Esdrasa dia olona resahina ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Baiboly kristiana, indrindra ao amin' ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa ) sy ny Bokin' i Nehemia , sy boky hafa koa. Jiosy babo tany Babilona izay niverina an-taniny tao Jerosalema tokony ho tamin' ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Sady mpisorona izy no mpanoradalana , izay velona teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. Atao koa Ezra Mpanoradalana na Esdrasa Mpanoradalana koa izy ( hebreo : ???? ?????? / Ezra ha-Sofer ).

Ny asa nataon' i Ezra [ hanova | hanova ny fango ]

Fanavaozana ny fivavahana jiosy [ hanova | hanova ny fango ]

Nitana anjara lehibe teo amin' ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian' ny Fahababoana i Ezra. I Ezra dia heverin' ny sasany ho mpanorina faharoa (taorian' ny Mosesy ) ny firenena jiosy. Izy no nipoiran' ny fampanjariana fehezan-dalana ny fitsipika isan-karazany nifehy ny fivavahana sy ny fiaraha-monina jiosy, indrindra ireo izay mifehy ny fanompoam-pivavahana ao amin' ny Tempoly sy ny famaritana ny boky filamatry ny finoana ( boky kanonika ). Nandray anjara betsaka tamin' ny fanoloana ny mpisorona ho mpampianatra (na raby, hebreo: ??? / rav ) izy.

Fanorenana indray ny Tempoly [ hanova | hanova ny fango ]

Izy no nitondra ny andiany faharoa tamin' ireo Jiosy nody an-tanindrazana taorian' ny Fahababoana avy any Babilona mba hanorina indray ny Tempoly ao Jerosalema izay noravan' ny Babiloniana tany aloha.

Ny asasoratra amin' ny anaran' i Ezra [ hanova | hanova ny fango ]

Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ny boky kanonika mitondra ny anarany ao amin' ny Baiboly, dia ny Bokin' i Ezra na Bokin' i Esdrasa . Nefa misy soratra hafa koa izay mitondra ny anarany.

Boky kanonika amin' ny anaran' i Ezra [ hanova | hanova ny fango ]

Misy roa ireo boky kanonika amin' ny anaran' i Ezra ka mety hisaraka na hitambatra:

Ny Boky Ezra-Nehemia dia atao hoe 1 Izra ao amin' ny Baiboly ortodoksa etiopiana .

Ny Boky voalohany sy faharoan' ny Tantara koa dia ataon' ny lovantsofina jiosy fa nosoratan' i Ezra.

Apokrifa na pseodepigrafa amin' ny anaran' i Ezra na Esdrasa [ hanova | hanova ny fango ]

Misy fito ny soratra apokrifa na pseodepigrafa amin' ny anaran' i Ezra ka mety hitambatra ho boky iray ny sasany arakaraka ny fiangonana na ny Baiboly na ny fiteny itanisana azy. Mety hiova araka izany koa ny laharana araka izany:

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]