Ny
Epistily ho an' i Titosy
na
Epistola nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Tito
na
Taratasy nosoratan' i Masindahy Paoly ho an' i Tito
dia boky hita ao amin' ny
Testamenta Vaovao
ao amin' ny
Baiboly
, izay atao hoe
epistily
. Taratasy nosoratan' i
Paoly
ho an' i
Titosy
( na
Tito
) io epistily io. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 68 no nanoratana azy. Misy toko 3 ity boky ity.
Επιστολ? προ? Τ?το
/
Epistole pros Tito
no fiantsoana azy amin' ny
teny grika
fa
Epistula ad Titum
kosa amin' ny
teny latina
. I
Titosy
dia mpianatr' i Kristy sady mpiara-dia amin' i Paoly.
Zava-misy manodidina sy famintinana
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Taorian' ny fahafahan' i
Paoly
tamin' ny famonjana azy voalohany tany
Roma
[1]
dia nitory ny
Vaovao Mahafaly
(na Filazantsara) tany amin' ny nosy
Kreta
na Kretosy izy. Talohan' io dia nitoetra fotoana fohy fotsiny tao i Paoly, amin' ny maha voafonja azy, tamin' ny nandehanany mankany Roma hotsaraina eo anatrehan' ny emperora
[2]
.
Rehefa niainga avy tao amin' ny nosin' i Kretosy i Paoly dia navelany eo i Tito (na Titosy), iray amin' ireo mpiara-miasa aminy akaiky, izay tsy
Jiosy
[3]
, izay nampamitainy iraka sarotra matetika, indrindra ny tany Kretosy
[4]
. Nambaran' i Paoly aminy ny fanatanterahana ny fandaminana sy ny rafitry ny fiangonana naoriny tao (Tito 1.5) ka izany dia tao anatin' ny toe-javatra manahirana (Tito 1.12-15).
Nanome fotoana an' i Tito i Paoly talohan' ny ririnina tao
Nikopolisy
, any amin' ny morontsiraka atsinanan' i Grisia (Tito 3.12). Tokony ho tany
Makedonia
no nanoratan' i Paoly ny epistily miaraka amin' ny
Epistily voalohany ho an' i Timoty
. Ireo epistily roa ireo dia ahitana fitoviana betsaka, na amin' ny voambolana, na amin' ny fomba fanoratra, na amin' ny lohahevitra momba ny fitondram-piangonana ("pastoraly").
Taorian' ny nampahatsiahivan' i Paoly ny toetra tokony hananan' ireo mpiandraikitra ao amin' ny fiangonana dia nokianin' i Paoly ireo fahadisoana sy ireo fiheverana jiosy izay mifanohitra amin' ny fampianarana kristiana marina (Tito 1). Avy eo dia nanafatra an' ireo antoko samihafa ao am-piangonana izy (Tito 2) ka namarana ny taratasy amin' ny fampahatsiahivana ny fiasam-pahasoavan' Andriamanitra izay mitondra ny mpino hiaina araka ny
Filazantsara
(na Vaovao Mahafaly).
Ireo
Epistilin' i Paoly
:
- Epistily ho an' ny Romana
,
- Epistily voalohany ho an' ny Korintiana
,
- Epistily faharoa ho an' ny Korintiana
,
- Epistily ho an' ny Galatiana
,
- Epistily ho an' ny Efesiana
,
- Epistily ho an' ny Filipiana
,
- Epistily ho an' ny Kolosiana
,
- Epistily voalohany ho an' ny Tasaloniana
,
- Epistily faharoa ho an' ny Tesaloniana
,
- Epistily voalohany ho an' i Timoty
,
- Epistily faharoa ho an' i Timoty
,
- Epistily ho an' i Titosy
,
- Epistily ho an' i Filemona
Boky hafa ao amin' ny Baiboly:
- ↑
Jereo: Asan'ny Apostoly toko faha-28
- ↑
Jereo: Asan'ny Apostoly 27.7-8.
- ↑
Jereo: Epistily ho an'ny Galatiana toko faha-2 hatramin'ny faha-3
- ↑
Jereo: Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 2.12-13 sy 7.6-7.