Demokrasia

Avy amin'i Wikipedia

[[Sary:Mandela voting in 1994.jpg|vignette|Sarin' i Nelson Mandela nandatsa-bato tamin' ny fifidianana tamin' ny taona 1994. Sambany i Mandela no nandray anjara amin' ny fifidianana teo amin' ny fiainany. Ity sary ity dia nalaina tao amin' ny Ohlange School, any Inanda, any Durban ao Afrika Atsimo Ny demokrasia dia karazana fitondram-panjakana ahitana rafitra ahafahan' ny vahoaka manapa-kevitra momba ny fomba tokony hitondrana ny vondrom-bahoaka na ny firenena na ny fikambanam-pirenena misy azy. Avy amin' ny teny grika hoe δημοκρατ?α / d?mokratia , izay midika hoe "fanjakan' ny vahoaka" na "fitondram-bahoaka" ny teny hoe demokrasia .

Ny karazana demokrasia mahazatra dia ny demokrasia amin' ny alalan' ny solontena (mpitondra fanjakana) izay fidin' ny olom-pirenena, mba hanapa-kevitra mikasika ny lalana . Atao isaky ny taona vitsivitsy ny fifidianana ny solontena. Amin' izany fotoana izany dia izay mahazo vato be indrindra no mandresy ary lany hamita ny andraikitra ankinina aminy, mandra-pahatongan' ny fifidianana manaraka.

Ampahany manan-danja ao amin' ny demokrasian-tsolontena ny antoko politika . Mpikambana ao amina antoko politika na ao amina fikambanana iombonan' ny mpanao politika mitovy hevitra momba ny zavatra tokony hatao ny mpanao politika. Noho izany, eo amin' ny fifidianana dia olona iray fotsiny no fidin' ny olom-pirenena, ny antoko politika misy azy koa. Manao fanamafisana ny demokrasia matetika ny fanjakana iray mba hahamarin-toerana ny demokrasia.

Ny demokrasia, izay manana ny foto-kevitra hoe "fitondrana vahoaka sy sahanin' ny vahoaka ary ho an' ny vahoaka", ohatra dia lazaina fa "mivantana", rehefa omena andraikitra tokoa ny vahoaka amin' ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin' ny vondrom-bahoaka, na "misy solontena", rehefa manolotra an-kalalahana ny fahefana hitondra amin' ny olom-boafidy ny vahoaka. Sady heverina ho soatoavina, mamorona tanjona hotratrarina (fahafahan' ny rehetra tanterahina ao anatin' ny fandaminana iombonana), no ho teknikam-pitondram-panjakana ny demokrasia izay miseho amin' ny modely sy endrika maro samihafa.

Tondro [ hanova | hanova ny fango ]

Sarintany maneho ny tondron' ny demokrasia navoakan' ny Economist Intelligence Unit tamin' ny taona 2022: arakaraka ny maha-maitso ny firenena no iheverana azy ho demokratika kokoa.

Tsy misy fomba famaritana ny demokrasia iaraha-manaiky, fa ny tondro tena ilaina dia ny fitovian-jo sy ny fahafahana ara-politika ary ny fanjakana tan-dalana. Ireo fototra ireo dia hita taratra amin' ny hoe "samy mitovy zo eo anatrehan' ny lalana ny olom-pirenena rehetra". Ao amin' ny demokrasian-tsolontena dia mitovy lanja avokoa ny vato alatsaka, tsy misy famerana diso tafahoatra amin' ny olona izay te ho solontena, ary koa ny fahafahan' ny olom-pirenena hanana zo dia arovan' ny lalampanorenana .

Ny fanjakan' ny maro anisa indrindra ihany koa dia anisan' ny tondron' ny demokrasia. Izany anefa dia mahatonga ny antoko politika madinika ho voagejan' ny "antoko politika lehibe", rehefa tsy misy ny fiarovana ny zon' olon-tokana na na ny zon' ny fikambanan' olona.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]