Benedikto any Nursia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Benoit de Nursie )
Benedikto de Nursia
Ankapobeny
Anarana Benedikto de Nursia
Teraka 2 Martsa 480
Maty 21 Martsa 547
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Italia
Asa  : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Benedikto any Nursia na Benoa any Nursia (na Md Benedikto na Md Benoa ho an' ny Katolika sy Ortodoksa) no mpanorina ny Fikambanan' ny Benediktina ary tena nanentana ny monastisisma tandrefana tat? aoriana. Teraka tamin' ny taona 480 tany Nursia ao Umbria ( Italia ) ary maty tamin' ny taona 547 tao amin' ny monastera Montecassino izy. Atao hoe Benedictus de Nursia na Sanctus Benedictus de Nursia izy amin' ny teny latina .

Heverin' ny Katolika sy Ortodoksa ho patriarkan' ny moanina tandrefana izy, noho ny fitsipikany nisy fiantraikany lehibe teo amin' ny monastisisma tandrefana, eny hatramin' ny sivilizasiona eoropeana tamin' ny Andro Antenatenany .

Ny fetin' i Md Benoa dia ny 11 Jolay, daty fankalazana ny famindrana ny sisa tamin' ny vatany (relika) tao amin' ny Abey Saint-Benoit-sur-Loire.

Jereo koa [ hanova | hanova ny fango ]

Rohy ivelany [ hanova | hanova ny fango ]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina .

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alalan'ny fanitarana azy .
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.