Balkana

Avy amin'i Wikipedia
Ny Balkana ara-jeografia

Ny Balkana dia mandrono ny firenena ao amin' ny saikanosy atsinanan' i Mediteranea . Ny firenen' ny Balkana dia i Grisy , i Kroasia , i Romania , i Albania , i Masedonia Avaratra , i Serbia , i Montenegro , i Bosnia-Herzegovina ary i Slovenia .

Ny anarana hoe balkana dia avy amin' ny teny torka midika hoe "vato malama", ary tamin' ny taonjato faha-19 io teny io no nampiasaina hanondroana ny faritanin' i Bolgaria , ary nampiasaina taorian' io fotoana io ho an' ny saikanosy ao atsimon' i Eoropa Atsimo-Atsinanana . Hatramin' izay dia niova dika im-betsaka ny teny hoe "balkana". Tamin' ny Ady lehibe voalohany dia nanomboka tamin' ny famonoana ny arkidoka Francois-Ferdinand tany Sarajevo , any Bosnia, ny faritanin' ny Balkana dia nolazaina hoe "Vanjan' i Eoropa", izay midika hoe faritany be ady ara-poko. Taty aoriana ny Balkana dia nanondroana ny firenen' i Iogoslavia taloha.