|
Atanasiosy avy any Aleksandria
|
Ankapobeny
|
Anarana
|
Atanasiosy avy any Aleksandria
|
Teraka
|
Taona 295
|
Maty
|
2 Mey 373
|
Fiaviana sy ny andraikitra
|
Firenena
|
Ejipta
|
Asa
:
|
Tsy fantatra
|
Fiainana manokana
|
|
I
Atanasiosy avy any Aleksandria
na
Atanazy avy any Aleksandria
dia fantatra amin' ny anarana hoe
Lehibe
, dia
teolojia
sy
eveka
sy patriarikan' i
Aleksandria
hatramin' ny 8 Jona 328 ka hatramin' ny nahafatesany. Izy no niady tamin' ny
arianisma
tamin' ny taonjato fahefatra. Nanjavona izy taorian' ny dimy amby efapolo taona naha eveka azy sy dimy taona nanaovana azy sesitany. Teraka tamin' ny taona 296/298 ary maty tamin' ny 2 Mey 373 izy. Amin' ny
teny grika
izy dia atao hoe ?θαν?σιο? /
Athanasios
.
Ny tenany no fototry ny fifandirana teo amin' ny Atsinanana sy ny Andrefana. Teraka tao anatin' ny fanenjehana farany i Atanasiosy ka nahita ny fotoana manan-tantara tamin' ny fifindrana avy amin' ny
kristianisma
vitsy anisa ho amin' ny kristianisman’ ny daholobe tao amin' io faritra ao Atsinanana io; izany fotoana izany koa no nipoiran' ny Fiangonana egiptiana voalamina tsara, izay afaka nanohitra maharitra ny fahavalon' ny
ortodoksia nikeana
(na niseana).
Olo-malaza teo amin' ny kristianisma tamin' ny
Andro Taloha
i Atanasiosy: ny
Fiangonana Ortodoksa Kopta
dia miantso azy hoe ilay "Apostolika" sy ilay "Fanilon’ ny Atsinanana" ary "Andrin' ny finoana".
Ny
Fiangonana ortodoksa
hafa dia mankalaza azy amin' ny 18 Janoary ary manao azy ho anisan' ireo mpampianatra lehibe efatra an' ny Fiangonana. Manao azy ho anisan' ireo
mpampianatra
enina amby telopolo ary anisan' ireo
Aban' ny Eglizy
(na
Rain' ny Fiangonana
) ny
Eglizy Katolika
(izay mankalaza azy amin' ny 2 Mey).
Teraka tany
Aleksandria
, i Atanasiosy izay nahazo fampianarana klasika talohan' ny nidirany tao amin' ny sekoly
teolojia
malaza tao amin' ny tanana niaviany. Notokanana ho
diakona
(na
diakra
) izy tamin' ny fahatanorany ary lasa sekreteran' ny Patriarkan' i Aleksandria. Avy eo izy dia nandray anjara mavitrika tamin' ny ady ara-teolojia izay niafara amin' ny
Konsilin' i Nikea
tamin' ny taona 325, nanohitra an' i
Ariosy
, pretra tao Aleksandria, mpanorina ny
fotopampianaran
' ny
arianisma
.
Nanomboka teo dia nifamatotra akaiky tamin' ny ady amin' ny
arianisma
izay "
fivavahan-diso
" ny fiainany, izay izy no mpifanandrina mafy indrindra tamin' izany. I Atanasiosy no nandrafitra ny fampianarana homoosiana, izay milaza fa ny
Zanak' Andriamanitra
dia mitovy amin' ny
Ray
; nanamafy anefa i Ariosy fa tsy mitovy amin' ny
sobstansa
n' ny Ray ny sobstansan' ny Zanaka, izay voalohany amin' ny zavaboary.
Lasa
eveka
n' i
Aleksandria
i Atanasiosy tamin' ny taona 328. Nandritra ny ady hevitra momba ny arianisma, izay nifangaroan' ny teolojia sy ny
politika
, dia samy niezaka nitady sitraka tamin' ny emperora
Konstantino I
ny antoko mpifanandrina andaniny sy ny ankilany. Sady nanan-kery no navitrika tao amin' ny lapan' ny emperora ny Ariana, ka noho izany dia natao sesitany indimy i Atanasiosy: nandany ny ampahatelon' ny episkopatany any ivelan' ny faritra iadidiany izy.
Taorian' ny sesitany fahadimy sady farany natao azy, izay naharitra efa-bolana sady nifarana tamin' ny taona 364, dia nandany ny androm-piainany sisa niasa tao amin' ny toeram-piasany tany
Aleksandria
izy. Nifarana tamin' ny fandresen' ny ortodoksia nikeana ny fifandirana ady ara-teolojia.
Ny asa lehibe nataon' i Atanasiosy dia ny
Lahateny efetra manohitra ny Ariana
sy ny
Tantaran' ny Ariana
ary
Ny amin' ny Didin' ny Sinodan' i Nikea
. Ny
fiekem-pinoana atanaziana
dia natao hoe nosoratany araka ny
lovantsofina
nefa diso izany.
I Atanasiosy dia olo-malaza teo amin' ny kristianisma tamin' ny
Andro Taloha
: ny
Fiangonana Ortodoksa Kopta
dia miantso azy hoe ilay "Apostolika" sy ilay "Fanilon’ ny Atsinanana" ary "Andrin' ny finoana".
Ny
Fiangonana ortodoksa
hafa dia mankalaza azy amin' ny 18 Janoary ary manao azy ho anisan' ireo mpampianatra lehibe efatra an’ ny Fiangonana. Ny
Eglizy Katolika
(izay mankalaza azy amin’ ny 2 Mey) dia manao azy ho anisan' ireo
mpampianatra
enina amby telopolo ary anisan' ireo
Aban' ny Eglizy
(na
Rain' ny Fiangonana
).
- Ao amin' ny Freebase:
[1]