한국   대만   중국   일본 
Aristokrasia ? Wikipedia Aller au contenu

Aristokrasia

Avy amin'i Wikipedia

Ny aristokrasia dia fitondrana ara-politika izay itanan' ny olona sangany vitsy anisa ny fahefana amin' ny fomba ofisialy sady manjakazaka: sarangam-poko, andriana na sarangam-piarahamonina, solontena voafidim-bahoaka na nofidin' izay nodimbasany, sangany ara-tsaina na fitondran' ny teknisiana (teknokrasia), eny fa na mety ho ara-pilozofia koa aza. Atao hoe aristokrasia ihany koa ny mpikambana ao amin' ity sangany ity, na andriana na olom-boafidy, olo-malaza na mpanankarena, nomenklatura na establishment , na endrika hafa hita maso na miafina.

Ny teny hoe aristokrasia dia avy amin' ny fototeny grika hoe ?ριστοι / aristoi (izay midika hoe "tsara indrindra"), sy κρ?το? / kratos (izay midika hoe "hery", "fahefana", "fitondrana"). Nanomboka tamin' ny Revolisiona Frantsay , ny teny hoe " aristokrasia " dia nampiasaina amin' ny fomba diso mba hanondroana ny andriana manokana, ka nahatonga ny hevitra ankapoben' io teny io ho very, indrindra ao amin' ny teny frantsay .

Matetika, ny hevitry ny tzny hoe aristokrasia sy oligarsia dia ampifanakaikezin' ny olona. Na izany aza, ireo teny roa ireo samy hafa noho ny oligarsia tsy mifamatotra amin' ny sangany nilaza ny tenany ho izany (mety ho fifantenana amin' ny alalan' ny vola, ohatra, izany), fa ny aristokrasia kosa dia tsy midika hoe vitsy anisa voafaritra tsara. Na izany aza, mijanona ho mifanakaiky ireo hevitra roa ireo ary ny fifgangaroana dia hamarinin' ny foto-pisainana momba ny fahefana, satria heverina an-tendrony ho fikambanan' ny mahery ny sangany, ka lasa mitonona ho izany tokoa. Noho izany, ireo teny roa ireo dia matetika ampiasaina mifandimby toy ny tsy misy fahasamihafana.