한국   대만   중국   일본 
Andrea (apostoly) ? Wikipedia Aller au contenu

Andrea (apostoly)

Avy amin'i Wikipedia
I Andrea , sary nataon' i Yoan avy any Gabrovo any Bolgaria. taonjato faha-19.

I Andrea dia iray amin' ny apostoly , Jiosy galileana sady rahalahin' i Petera (na Piera) izy. Mpianatr' i Joany mpanao batisa izy taloha. Atao hoe Protokleto ("Ilay Nantsoina Voalohany") koa izy satria nanaraka an' i Jesoa (na Jesosy) raha vantany vao vita batisa (na batemy) ity farany.

Ny arany [ hanova | hanova ny fango ]

Ny hoe Andrea dia fanagasiana ny anarana amin' ny teny grika hoe ?νδρ?α? / Andreas . Andreas ihany koa no fiantsoana azy amin' ny teny latina . Andrew amin' ny teny anglisy fa Andre kosa amin' ny teny frantsay .

I Andrea araka ny Baiboly [ hanova | hanova ny fango ]

Araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly dia teraka tao Betsaida tao Galilea (na Galilia) tao amoron' ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada) i Andrea. Mpanjono tahaka an' i Simona Petera rahalahiny izy. Tamin' ny voalohany dia mpianatr' i Joany Batista izy nefa rehefa nasehon' i Joany mpanao batisa fa i Jesoa no "ilay Zanakondrin' Andriamanitra izay hitondra ny fahotan' izao tontolo izao" (Joa. 1.29-40), dia nanaraka an' i Jesoa izy ka tsy nisaraka taminy intsony. Izy no mpianatra voalohany notaomin' i Jesoa hanaraka azy.

Mpanelanelana an' i Jesoa tamin' ny olon-kafa no tena ahafantarana an' i Andrea. Izy no naneho an' i Simona rahalahiny tamin' i Jesoa. Tamin' ny nampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano dia izy no nitondra ilay zazalahy nanana mofo dimy sy hazandrano roa teo amin' i Jesoa. Tamin' ny fotoana te-hifanatrehan' ny Grika amin' i Jesoa dia tamin' i Andrea no nitenan' izy ireo an' izany.

Jereo koa: [ hanova | hanova ny fango ]