Ny
Alohotsy
dia vintana faharoa ambin' ny folo amin' ny
fanandroana malagasy
. Ny
Adalo
no eo alohany ary ny
Alahamady
no manaraka azy. Ny tapany antsinana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy
[1]
. Vintan' olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy araka ny finoan-drazana malagasy. Tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra ny zaza madinika fa tsy ho mety sitrana raha maratra.
Avy amin' ny anaran'
antokon-kintan'
ny
zodiaka
amin' ny
teny arabo
hoe ????? /
Al-Hut
("trondro") ny hoe
Alohotsy.
Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny
teny latina
sy
anglisy
hoe
Pisces
na amin' ny
teny frantsay
hoe
Poissons
. Amin' ny
fiteny soahily
dia atao hoe
Hutu
na
Samaki
io antokon-kintana io. Amin' ny
teny maley
dia atao hoe
Hut
na
Ikan
ihany koa izy.
Ny antokon-kintana Hazandrano sy ny zodiaka
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny fotoana andalovan' ny
masoandro
ao amin' ny antokon-kintana
Trondro
dia amin' ny 12 Marsa hatramin' ny 18 Avrily. Eo amin' ny 15 Marsa hatramin' ny 14 Avrily ny fari-potoan' ny Hazandrano ao amin' ny
zodiakan-kintana
fa amin' ny 20 Febroary hatramin' ny 20 Marsa kosa izany ao amin' ny
zodiaka mikisaka
. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.
Ao amin' ny
fanandroana malagasy
dia vintana faharoa ambin' ny folo koa ny Alohotsy ka ny tapany antsinana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy.
Zanabintana
ny Alohotsy. Mifandratra amin' ny
Asombola
sy miarina eo amin' ny
Adimizana
ny vintana Alohotsy. Baben' ny renivintana Alahamady ny zanabintana Alohotsy. Ao amin' ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro roa ny Alohotsy, dia ny vava Alohotsy (na vavan' Alohotsy) sy ny vody Alohotsy (na vodin' Alohotsy).
Vintan' olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy araka ny finoan-drazana malagasy. Tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra ny zaza madinika fa tsy ho mety sitrana raha maratra.
Atao hoe volam-padina ny volana Alohotsy noho izy iomanana amin' ny Asaramanitra (izany hoe ny Alahamadibe). Tandremana mafy mba tsy haratra amin' ny hety na antsy ny zazamadinika fa tsy ho mety sitrana ka noho izay tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra. Ny olona maty ao amin' ny volana Alohotsy dia alevina mangingina. Andro maivana ny andro Alohotsy.
Ny zaza teraka vava Alohotsy dia tsy ho marim-ponenana fa mifindrafindra na toerana na zavatra hafa. Amin' ny vava Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra.
Ny zaza teraka vody Alohotsy dia ho salama ihany. Amin' ny vody Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra.
Raha hanorin-trano sy hampaka-bady amin' ny andro Alohotsy dia tsy maintsy misorona vatokaranana sy hazo harahara na famaho alevina eo atsinanan'ny andry avaratra tandrify ny Alohotsy mba tsy hihetsiketsika.
Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alohotsy ho volana faharoa ambin' ny folo amin' ny taona ao amin' ny
tetiandro malagasy
(raha ny
Alahamady
no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Alohotsy miafara amin' ny vody Adalo ny volana Alohotsy raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adalo dia miafara amin' ny vava Alohotsy ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alohotsy io dia mifarana amin' ny vody Alohotsy ny volana izay misy 30 andro.
Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
Evan' ny zodiaka:
Antokon-kintan' ny zodiaka:
Tetiandro
- ↑
"
Alohotsy
", ao amin'ny
Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara
.