Ody
Ny
Alahasaty
no vintana fahadimy amin' ny
fanandroana malagasy
. Ny
Asorotany
no eo alohany ary ny
Asombola
no manaraka azy. Ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy
[1]
. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron'
ody
ny Alahasaty.
Avy amin' ny anaran'
antokon-kintan'
ny
zodiaka
amin' ny
teny arabo
hoe ???? /
Al-Asad
("liona") ny hoe
Alahasaty.
Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia tononina hoe
Alahasady
koa io teny io. Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny
teny latina
sy
anglisy
hoe
Leo
na amin' ny
teny frantsay
hoe
Lion
ny hoe
Alahasaty
. Amin' ny
fiteny soahily
dia atao hoe
Asadi
na
Simba
io antokon-kintana io. Amin' ny
teny maley
dia atao hoe
Asad
na
Singa
ihany koa izy.
Antokon-kintan'ny Liona
Ny antokon-kintana Liona sy ny zodiaka
[
hanova
|
hanova ny fango
]
Ny fotoana andalovan' ny
masoandro
eo amin' ny
antokon-kintan
' ny
Liona
dia manomboka amin' ny 10 Aogositra ka miafara amin' ny 16 Septambra. Ny fari-potoan' ny Liona araka ny
zodiakan-kintana
dia hatramin' ny 16 Aogositra ka hatramin' ny 15 Septambra. Ny
Liona
ao amin' ny zodiakam-panandroana mahazatra (
zodiaka mikisaka
; frantsay:
zodiaque tropical
) dia manomboka amin' ny 23 Jolay ka miafara amin' ny 22 Septambra. Ny
fanandroana malagasy
dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.
|
Foza na Asorotany
|
Liona na Alahasaty
|
Virijiny na Asombola
|
Antokon-kintana
|
20 Jolay - 10 Aogositra
|
10 Aogositra - 16 Septambra
|
16 Septambra - 30 Oktobra
|
Zodiakan-kintana
|
16 Jolay - 15 Aogositra
|
16 Aogositra - 15 Septambra
|
16 Septambra - 15 Oktobra
|
Zodiaka mikisaka
|
22 Jona - 22 Jolay
|
23 Jolay - 22 Aogositra
|
23 Aogositra - 22 Septambra
|
Ao amin' ny
fanandroana malagasy
dia vintana fahadimy koa ny Alahasaty ka ny tapany atsinanana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy.
Zanabintana
ny Alahasaty. Mifandratra amin' ny Adalo sy miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty. Trotroin' ny renivintana Asorotany ny zanabintana Alahasaty. Mitondra tonon' andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Alahasaty (na vavan' Alahasaty) sy ny vody Alahasaty (vodin' Alahasaty).
Araka ny finoan-drazana malagasy dia vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty.
Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Tononandro tsara anandratana ody sy sampy ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa.
Ny olona teraka vody Alahasaty dia ho tratra antitra. Tononandro tsara ho fisantarana zavatra sy fampakaram-bady ny vody Alahasaty.
Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Alahasaty ho volana fahadimy amin' ny taona ao amin' ny
tetiandro malagasy
(raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).
Manomboka amin' ny vava Alahasaty ka miafara amin' ny vody Asorotany ny volana Alahasaty raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Asorotany dia miafara amin' ny vava Alahasaty ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Alahasaty io dia mifarana amin' ny vody Alahasaty ny volana izay misy 30 andro.
Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
Evan' ny zodiaka:
Antokon-kintan' ny zodiaka:
Tetiandro
- ↑
"
Alahasaty
", ao amin'ny
Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara
.