Ny
reny
dia ilay
vehivavy
niteraka ny
zaza
anankiray, ny lehilahy niarahany nahafahany niteraka no antsoina hoe
ray
.
Ny ray aman-dreny (misaraka no fanoratra azy) no enti-milaza ireo lehilahy sy vehivavy ireo, ka antsoin'ny
fiteny malagasy
hoe "nahitana masoandro", na "masoandro amam-bolana". Tsy tokony hafangaro amin'ny teny hoe
raiamandreny
(soratana mikambana) izay enti-milaza olona na rafitra manana satan'ny ray aman-dreny eo amin'ny fiaraha-monina noho ny haja manokana ananany, kanefa tsy niteraka tamin'ny fomba biolojika; toy ny
Raiamandreny FFKM
.
Ny teny hoe
neny
na
mama
na
endry
no iantsoan'ny Malagasy ny reniny. Ireo
voanteny
ireo dia maneho fifandraisana akaiky sy ara-pitiavana tokoa eo amin'izy mianaka, ary mitaratra sahady ny andraikitry ny reny eo anivon'ny fiainan'ny zanany. Ny teny hoe
mama
moa dia avy amin'ny
teny frantsay
nogasiana
, ary voanteny anisan'ny tononin'ny
zaza
voalohany koa eo amin'ny fiainany aorian'ny vaninteny hoe
da
sy
ba
. Ny voanteny hoe
endry
kosa indray dia any
anindran-tany
no tena ahenoana azy. Ny vaninteny
ma
dia fahita amin'ny ankamaroan'ny dikan'ny teny hoe
neny
amin'ny tenim-pirenena maro eran-tany.
- Ny hoe
reny
no foto-tenin'ny teny hoe
firenena
, ary manana ny satan'ny reny tokoa ny
firenena
teo anivon'ny tontolo malagasy.
- Tamin'ny
fanjanahantany
teto Madagasikara, i
Frantsa
izay nanjanaka an'i Madagasikara dia nantsoin'ny Malagasy hoe reny (Frantsa Reny Malala).
- Any am-pita, dia misy teknika ahafahan'ny mpivady
momba
sasany manana anaka amin'ny alalan'ny famokarana
tsirinaina
lahy sy vavy izay
kotrehina
ao an-kibon'ny vehivavy hafa noho ny olana mety hananan'ilay vehivavy tokony hitondra vohoka ny zanany. Ilay vehivavy mitondra vohoka ho an'olon-kafa io dia antsoina hoe "reny mpitondra".
- Amin'ny fivavahana kristianina, dia antsoina hoe
Mamera
ireo vehivavy mpivavaka sasany izay efa lehibe sy mitondra andraikitra lehibe eo anivon'ny
fiangonana
, ny voambolana Mamera io dia avy amin'ny
teny frantsay
hoe ≪
Ma Mere
≫ na
Reniko
. Iray amin'ireo Mamera malaza indrindra i
Mere Teresa
. I
Maria Virjiny
dia antsoin'ny fivavahana
katolika
hoe
Masina Maria, Renin'Andriamanitra
.
Ny teny hoe
reny
dia enti-milaza :
- ny loharano, mpamorona na anton'ny zavatra iray;
- izay ambony eo amin'ny antanan-tohatra iray;
- izay voalohany tamin'ny fiainan'ny olona iray (tenin-dreny, izay azo antsoina ihany koa hoe
teny nibeazana
);
- izay voalohany, izay lehibe indrindra (Renipejy);
- izay rehetra mety ahazoana zanany (Renivola).
Ho an'ny
biby mampinono
rehetra (anisan'ny voakilasy ao anatin'izany ny olombelona), dia entin'ny reny ao an-kibony ny zanany manomboka amin'ny famoronana azy ka mandra-pahatongan'ny fotoana haha-vory nofo sy taova azy ka ahafahany ho ateraka. Ho an'ny olombelona manokana, dia eo amin'ny sivy volana eo ho eo no fotoana itondran'ny reny ny zanany ao
am-bohoka
, ary anondroan'ny Malagasy ny reny ihany koa ny teny hoe "nitondra folo volana".
Zazarano
no iantsoana zanaka ao an-kibo raha mbola tsy teraka izy, ary ao amin'ny
tranonjaza
no ipetrahany. Aorian'ny fahaterahana, dia mamokatra
ronono
ho
sakafon
'ny zaza ny
nonon
'ilay reny.
Ho an'ny zava-manana aina tsy miteraka dia ny voanteny hoe
reny
no ilazana ireo nipoirana, ho an'ny
sela
ohatra, dia antsoina hoe
reny
ilay sela anankiray nizara roa ka nahazoana sela anankiroa (zanany).
Manana andraikitra lehibe eo amin'ny fanabeazana ny zanany ny reny, ary indraindray ny sata hoe reny dia omena vehivavy izay tsy niteraka nefa miantsoroka ny adidin'ny reny manontolo sy manabe ilay ankizy. Amin'ny ankapobeny dia eo amin'ny
fananganan-jaza
no ahitana izany ka mety ho antsoina hoe
renikely
ihany koa io reny tsy niteraka io.
Manana andro iray ao anatin'ny taona natokana hankalazana azy ny reny. Eto
Madagasikara
, dia ny Alahady farany amin'ny volana Mey no atokana ho
fetin'ny reny
. Ny
Anglisy
koa dia mankalaza andro sahala amin'io amin'ny Alahady fahefatra aorian'ny
karemy
(
Mothering Sunday
). Any
Etazonia
,
Aostralia
sy
Kanada
dia ny Alahady faharoan'ny volana Mey no atokana ho fankalazana ho an'ny reny (
Mother's Day
, nampiasaina hatramin'ny faran'ny taonjato faha-XIX).