Ny
Faritanin' i Alborz
dia iray amin' ny faritaniny 31 ao
Irana
. Mirefy 5 833 km² izy ary any avaratra-andrefan' ny
lembalemba
afovoan' i Irana. Ity faritany ity dia manana sisintany iraisana amin' amin' ny
Faritanin' i Mazandaran
any avaratra, amin' ny
Faritanin' i Teheran
any atsinanana, amin' ny
Faritanin' i Markazi
any atsimo ary amin' ny
Faritanin' i Qazvin
any andrefana. Ny tananan' i
Karaj
, izay tanan-dehibe fahadimy lehibe indrindra ao Irana raha ny isan' ny mponina no heverina, no renivohitr' ilay faritany. Izy io dia niforona tamin' ny taona 2010 tamin' ny fizarana ny Faritanin' i Teheran, izay nahalasa faritany faha-31 azy ao Irana.